4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Moa ve - Tonton Pa



Moa ve,ireo vovoka niaraha-nilalao ka nanditsoka

mbola afaka hamela vetso na ritsoka?



Iarahana mikalo indray

Hoenti-mahatsiahy ny fahizay

Hahatsiarovana ireo mamy

Noheverintsika fa tsy ho lany



Eny,mbola manina aho

Fa asa kosa,asa lahy ianao

raha nahatsapa fa hafa ihany

izany voalohany izany



Ref: Ny efonefona kelinao

       Raha nofohiniko teto an-tratra

       Tsapako fa resy ianao.

       Izaho koa nahatsiaro naratra



       Ny lanjam-pitia toa ampy fatra

       Nihoatra aza ,ô ô ô



Moa ve,ireo ditraditra fanao miafinafina

Mbola azo tsinjovina etoana raha tarafina?



Mbola any ve ireo toky?

Sa teo am-bava ireny ka nofy

Toa mbola henoko ilay feonao

mibitsika hoe:"tiako raha ho anjara ianao".



Eny,faniriana ireny

fa ny lahatra tsy an-teritery

Raha ny hazo tokoa no nitohy

Nahatody ambony dia ambony.



Ref: Tsaroako ilay tomaninao

       Indray andro izay raha vao nihaona.

       Nilaza fa handao ianao:

       NY TONTOLO NO INDRAY NISAONA



      Tapaka ilay nofy mamy dia mamy

      Tsy nisy toy izany ,ô ô ô.



  Hatrizay ka hatramin’izao

  Dia tsy nety hita intsony e

  Dia tsy hita intsony,dia tsy hita intsony ianao





                                         Rakoto Patrick

Partager moa ve

Commenter moa ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tonton Pa